Masina ato am-poko

« Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. » (Salamo 119:11)

Choisir une date
5 novambra
Efesiana 1.7-8
Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny rany,dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany, izay nataony ho antsika.

Endrey izany fanavotana mahagaga izany, fa hoe : famelana ny fahadisoantsika. Fahasambaran' ny lanitra amin' izay nampijalian' ny fahotany izany fanavotana izany. Voavela ny fahotako. Voaisotra ny heloko. Afaka mandrakizay aho noho ny herin' ny asa fanavotana nataon'i Jesosy.

Lehibe tsy takatry ny saina izany fanavotana sy famelana izany, fa voasoratra hoe : « araka ny haren' ny fahasoavany. » Mbola tian' i Paoly Apostoly hohamafisina indray ity, ka manampy teny izy hoe : « izay ataony be ho antsika. »

Hataoko ahoana no fisalasala raha be dia be tahaka izany ny fahasoavana ! Aoka izay ny alahelo sy ny fitarainana. « Ny sento ajanony ! » Vonona hamela ny fahadisoako araka ny haren' ny fahasoavany Izy, koa ny hany hataoko dia ny hatoky izany ka hisaotra Azy be dia be. « Ny ran' i Jesosy no tena avotro, ka sambatra aho sy tretrika am-po.Maty nisolo ahy Jesosy, ka ny rany no nahazoako ny haren' ny fahasoavany. Vita ny fanavotana !

Isaorana mandrakizay Jesosy, Mpanavotra ahy ! »

Facebook
OFF AIR
Défiler vers le haut