** *Ny Bokin’ny Genesisy no boky voalohany ao amin’ny Baiboly ary noho izany dia fototry ny Jodaisma sy ny Kristianisma. Ahitana ny tantaran’ny Fahariana, Adama sy Eva, Kaina sy Abela, Noa, ny Tilikambon’i Babela ary ireo patriarika (Abrahama, Isaka ary Jakoba). Ny teny hoe « Genesisy » dia avy amin’ny teny grika hoe « Γένεσις » (genesis), izay midika hoe « fiaviana », « niandohana », na « famoronana ». Ity teny grika ity dia nalaina avy amin’ny teny hebreo hoe « בראשית » (bereshit), izay teny voalohany ao amin’ny Bokin’ny Genesisy ary midika hoe « tamin’ny voalohany ». Ny Bokin’ny Genesisy dia ao amin’ny sokajy boky ara-tantara, Bokin’ny Lalàna iray aminireo boky dimy voalohany Pentateoka. Na dia voasokajy ho boky ara-tantara aza ny Genesisy, dia tsy midika izany fa tantara ara-bakiteny ny zava-drehetra ao. Ny Genesisy dia mirakitra karazana literatiora samihafa, Mitantara ny zava-nitranga tamin’ny lasa, toy ny famoronana,ary ny tantaran’ireo patriarka.Manazava ny fiavian’ny firenena sy ny vondrom-poko samihafa. Ara-teolojika dia mampiseho ny toetran’Andriamanitra, ny fifandraisany amin’ny olombelona, ary ny dikan’ny fahotana sy ny famonjena.
Mpanoratra sy daty nanoratana
Araka ny lovantsofina dia i Mosesy no nanoratra ny bokin’ny Genesisy teo anelanelan’ny taona 1440 -1400 talohan’i Jesosy kristy. Izay azo eritreretina fa taminy fotoana nitondrany Mosesy ny vahoakan’israely hiala any Egypta hatraminy nahafatesany.
Ny tanjon’ny boky
* **Manambara ny niandohan’izao tontolo izao sy ny olombelona: Manazava ny fomba namoronan’Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona, ary ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao.
* **Fanehoana ny faneken’Andriamanitra tamin’i Abrahama: Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa hanao ny taranany ho firenena lehibe sy hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny alalany. Io fifanekena io no fototry ny bokin’ny Genesisy sy ny Baiboly manontolo.
* **Fametrahana ny fototry ny finoana sy ny fitondran-tena: Ny bokin’ny Genesisy dia mirakitra lohahevitra toy ny famoronana, fahotana, fitsarana, famindram-po, finoana ary fankatoavana.
* **Fiomanana amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy: Misy Andian-teny ao amin’ny bokin’ny Genesisy no mampiseho an’i Jesosy Kristy, izay tonga hanavotra ny olombelona amin’ny fahotana sy hamerina ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona.
Andininy fototra
* **Genesisy 1:1″ Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. » Io andininy io dia manamafy ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamorona azy.
* **Genesisy 3:15″Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. »Ity andininy ity dia heverina ho fampanantenana voalohany momba ny fanavotana, manambara ny fiavian’ny Mpamonjy izay handresy ny ratsy. Ity andininy ity koa dia antsoina matetika hoe « protoevangelium », izay midika hoe « vaovao mahafaly voalohany ».
* **Genesisy 12:1-3 « Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. » Ireo andininy ireo dia mirakitra ny fampanantenan’Andriamanitra an’i Abrahama, izay ivon’ny fanekempihavanana sy ny drafitry ny famonjena.
Tandindon’i Jesosy
* **Ny Soron’Isaka (Genesisy 22): Ity tantara ity dia maneho mialoha ny soron’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, izay nanoloran’Andriamanitra ny Zanany ho famonjena izao tontolo izao.
** * Ny andininy ao aminy (Genesisy 3:15 ) ity andininy ity dia miresaka momba ny ady eo amin’ny menarana (izay tandindon’i Satana) sy ny taranaky ny vehivavy. Ny « taranaky ny vehivavy » dia manondro an’i Jesosy Kristy, izay hateraky ny virjiny Maria. Izy no hanorotoro ny lohan’ny menarana, izay midika fa handresy an’i Satana sy ny ota na dia eo aza ny fijaliana sy ny fahafatesana izay hiaretan’i Jesosy (izay asehon’ny hoe « hanorotoro ny ombelahin-tongony »), dia handresy amin’ny farany izy.
Fizarana boky
Azo zaraina roa lehibe ny bokin’ny Genesisy
* **Genesisy 1-11: Mitantara ny famoronana, ny fahotana, ny safo-drano ary ny Tilikambon’i Babela ireo toko ireo. Izy ireo dia mamaritra ny niandohan’ny olombelona sy ny fielezan’ny ota.
* **Genesisy 12-50: « ity toko ity dia mifantoka amin’ny tantaran’ny patriarka Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Resahin’izy ireo ny fomba nanorenan’Andriamanitra ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama sy ny nampitaina tamin’ny taranany io fifanekena io. »
** *Ny Bokin’ny Genesisy dia tena zava-dehibe ao amin’ny Baiboly iray manontolo satria izy no fototra iorenan’ny tantaran’ny famonjena. Izy no manazava ny niandohan’izao rehetra izao, ny olombelona, ny fahotana, ary ny fifidianan’Andriamanitra ny firenena Isiraely hoentiny manatanteraka ny drafi-pamonjena.
Amin’ny drafi-pamonjena, ny Bokin’ny Genesisy dia manana anjara toerana lehibe amin’ny
** *Fanorenana ny fototra: Manazava ny antony ilàna famonjena ny olombelona noho ny fahotana.
** *Fampahafantarana an’Andriamanitra: Mampiseho ny toetran’Andriamanitra, ny fitiavany, ny fahamasinany ary ny fahamarinany.
** *Fanaovana ny fanekena: Ny fanekena tamin’i Abrahama no fototry ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona sy ny fampanantenana ny ho avy.
** *Fanambarana ny faminaniana: Mirakitra faminaniana momba an’i Jesosy Kristy, ilay Mpamonjy ho avy.
Feno lesona manan-danja ho an’ny fiainantsika andavanandro ny Bokin’ny Genesisy. Ireto misy vitsivitsy amin’ireo lesona ireo
* **Andriamanitra no Mpamorona: Ny Genesisy dia mampianatra antsika fa Andriamanitra no nahary izao rehetra izao. Izy no manana fahefana fara tampony ary tompon’ny zavatra rehetra. Izany dia manome antsika fanantenana fa misy zavatra lehibe mihoatra noho izao fiainantsika izao.
* **Ny olombelona dia noforonina araka ny endrik’Andriamanitra: Ny olombelona dia noforonina manokana ho mitovy amin’Andriamanitra. Izany dia manome antsika fahamendrehana sy hasina lehibe.
* **Ny ota dia mitondra fahafatesana: Ny tantaran’i Adama sy Eva dia mampiseho antsika fa ny ota dia manasaraka antsika amin’Andriamanitra ary mitondra fahafatesana.
* **Andriamanitra dia manome fanantenana: Na dia taorian’ny nahafatesan’i Adama sy Eva aza, dia nampanantena Andriamanitra fa hisy Mpamonjy ho avy handresy ny ota sy ny fahafatesana.
** *Ireo lesona ireo dia manan-danja amin’ny fiainantsika andavanandro. Izy ireo dia manampy antsika hahatakatra ny toerana misy antsika eto amin’izao tontolo izao, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ary ny maha-zava-dehibe ny fiainana araka ny sitrapony. Ankoatra ireo lesona ireo ny Genesisy dia mirakitra tantara maro izay afaka manome antsika lesona sy fampianarana.
* **Ny maha-zava-dehibe ny finoana sy ny fitokisana an’Andriamanitra: Ny tantaran’i Abrahama dia mampiseho antsika ny maha-zava-dehibe ny fananana finoana sy fitokisana an’Andriamanitra na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza. Nanana finoana lehibe an’Andriamanitra i Abrahama ka nankatò ny didiny, na dia tsy azony antoka aza ny ho avy.
* **Ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka sy ny fifamelana:Ny tantaran’i Josefa sy ireo rahalahiny dia mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka sy ny fifamelana. Na dia nanao ratsy taminy aza ireo rahalahiny, dia namela azy ireo i Josefa ary nampiseho fitiavana sy famindram-po taminy.
* **Ny maha-zava-dehibe ny fikarakarana ny tontolo iainana: Ny bokin’ny Genesisy dia mampiseho antsika fa Andriamanitra no namorona ny tany ary nanome antsika ny andraikitra hikarakara azy. Tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny tontolo iainana isika.
** *Raha fintinina ny Bokin’ny Genesisy dia fanombohana ny tantara lehibe momba ny famonjena izay mitohy ao amin’ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly. Fototra ara-teolojika sy tantara ilaina amin’ny fahatakarana ny hafatra fon’ny Baiboly, izay ny famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Hoan’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina anie ny Voninahitra, Amena.



