Bokin’i Mika ( Tari-Dalana )

✨** *Ny Bokin’i Mika dia bokin’ny Testamenta Taloha nosoratan’i Mika mpaminany. Mpaminany tany Joda i Mika tamin’ny andron’i Jotama sy Ahaza ary Hezekia mpanjakan’ny Joda. Niara-belona tamin’i Isaia sy Amosa ary Hosea izy. Nifantoka tamin’ny rariny ara-tsosialy ny asa faminanian’i Mika, ka nanameloka ny fampahoriana ny mahantra sy ny kolikoly ataon’ny mpanankarena. Nanohitra ny fanompoan-tsampy sy ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana koa izy. Amin’ny teny hebreo, ny anarana hoe “Mika” (מִיכָה) dia midika hoe “Iza no tahaka an’i Jehovah?” » na “Iza no tahaka an’Andriamanitra?” « . Fanontaniana retorika io izay manamafy fa tsy misy tahaka an’Andriamanitra. Io anarana io dia nitondra an’i Mika mpaminany, izay iray amin’ireo mpaminany madinika roa ambin’ny folo ao amin’ny Testamenta taloha.

Mpanoratra sy daty nanoratana

✨** *Ny bokin’i Mika dia nosoratan’i Mika mpaminany, izay avy any Moreseta, vohitra amin’ny fanjakan’ny Joda ( Mika 1:1 ).Tombanana ho nosoratana teo anelanelan’ny 735 sy 700 talohany kristy.

Tanjony Boky

✨** *Ny bokin’i Mika dia fifangaroan’ny fitsarana sy ny fanantenana. Miampanga ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny kolikoly ataon’ny mpitondra ary ny fanompoan-tsampy ataon’ny vahoaka i Mika. Nambarany ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny Israely sy Joda noho ny fahotany. Na izany aza, dia manome hafatra feno fanantenana koa izy,manambara ny fahatongavan’ny mpanjaka tonga lafatra, avy amin’ny taranak’i Davida, izay hamerina ny rariny sy ny fiadanana.

Ara-tantara

✨** *Korontana ara-politika sy ara-tsosialy no nanamarika ny bokin’i Mika. Norahonan’i Asyria ny fanjakan’ny Israely, ary sahirana koa ny fanjakan’ny Joda. Voamariky ny tsy rariny sy ny kolikoly ary ny fanompoan-tsampy ny fiaraha-monina. Ny manankarena sy ny mahery dia mampahory ny mahantra sy ny osa. Ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika dia manao kolikoly ary tsy niraharaha izay hahasoa ny vahoaka.

Andininy fototra

✅* **Mika 6:8  » Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena »

✅* **Mika 5:1 « Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. »

✅** *Mika 7:18-19″Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po. Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. »

Mizara telo lehibe ny bokin’i Mika

👉* **Fitsarana (toko 1-3) Nambaran’i Mika ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny Israely sy Joda noho ny fahotany. Miampanga ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny kolikoly ataon’ny mpitondra ary ny fanompoan-tsampy ny vahoaka izy.

👉* **Fanantenana (toko 4-5) Manome hafatra feno fanantenana i Mika, manambara ny fahatongavan’ny mpanjaka tonga lafatra iray izay hamerina ny rariny sy ny fiadanana. Io mpanjaka io dia ho teraka ao Betlehema ary ho avy amin’ny taranak’i Davida.

👉* **Antso ho amin’ny fibebahana (toko 6-7) Miantso ny olona hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra i Mika. Nampahatsiahy ny fitahian’Andriamanitra tamin’ny lasa izy ary nampirisika ny olona hanao ny rariny sy ho tia famindrampo ary hiara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena.

Tandindon’i Jesosy Kristy

✨** *Ny bokin’i Mika dia mirakitra andalan-tsoratra maromaro izay azo adika ho sarin’i Jesosy Kristy. Ireto ny ohatra vitsivitsy

✍️* **Ny Mika 5:1, io andininy io dia faminaniana momba ny Mesia izay manambara ny fahaterahan’ny Mesia tao Betlehema. Voatonona ao amin’ny Filazantsaran’i Matio (2:6) izy io ho porofo fa i Jesosy no Mesia.

✍️* **Ny Mika 7:18-19, ity andininy ity indray dia mamaritra ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny famelan-keloka, izay foto-kevitra ivon’ny fampianaran’i Jesosy. Hitantsika ao ny sarin’i Jesosy tonga hamela ny fahotan’izao tontolo izao.

✍️* ** Ny Mika 4:1-4, Ity andalan-teny ity dia milazalaza ny fotoana hisian’ny fiadanana sy fanambinana ho an’izao rehetra izao, rehefa tsy hisy firenena hifandimby intsony, fa ny olona rehetra dia samy handry fahizay eo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny. Io fahitana io dia azo adika ho sarin’ny fanjakan’ny fiadanana sy ny rariny izay hapetraky ny Jesosy amin’ny fiverenany.

Hevitra fanampiny momba ifandraisan’i Boky ny Mika aminy tandindon’i’Jesosy kristy.

✍️* **Rariny sy Famindrampo: Miampanga ny tsy rariny sy ny fampahoriana nanjaka teo amin’ny fiaraha-monina tamin’ny androny i Mika. Mitaky ny rariny sy ny famindram-po, ny soatoavina izay notsindrian’i Jesosy tamin’ny fampianarany koa.

✍️* **Fanantenana Mesianika: Nambaran’i Mika ny fahatongavan’ny mpanjaka iray izay hamerina ny rariny sy ny fiadanana eto an-tany. Tanteraka amin’i Jesosy izany fanantenana momba ny Mesia izany, izay tonga hamonjy ny olony sy hanorina ny fanjakany.

Lesona hotsaroana

✨** *Mbola manan-danja ankehitriny ny bokin’i Mika. Mampahatsiahy antsika ny maha zava-dehibe ny rariny ara-tsosialy, ny fangorahana ny mahantra sy ny osa, ary ny fanetren-tena eo anatrehan’Andriamanitra. Mampitandrina antsika amin’ny kolikoly sy ny tsy rariny ary ny fanompoan-tsampy izay mbola misy eto amin’izao tontolo izao.Ny bokin’i Mika dia manasa antsika hanana fiainana feno fahamarinana, famindram-po ary fanetren-tena, mifanaraka amin’ny soatoavin’ny fanjakan’Andriamanitra.Mampahatsiahy antsika koa ny maha zava-dehibe ny fibebahana sy ny fahatokiana ny famindrampon’Andriamanitra.

Ny maha zava-dehibe ny bokiny Mika

✨** *Zava-dehibe ny bokin’i Mika, satria manamarina ny rariny sy ny fahamasinan’Andriamanitra, izay tsy milefitra amin’ny fahotana sy ny tsy rariny. Asongadin’izany ny andraikitry ny vahoakan’Andriamanitra mba hiaina araka ny didin’Andriamanitra sy ho tia ny namany.Zava-dehibe ny bokin’i Mika satria manome fanazavana momba ny toe-piainana ara-tsosialy sy ara-pivavahana tamin’ny androny. Mirakitra hafatra tsy lany andro momba ny rariny sy ny fanetren-tena ary ny maha zava-dehibe ny fananana fiainana ankasitrahan’Andriamanitra. Na dia eo aza ny haizin’ny ankehitriny, i Mika dia manolotra fanantenana ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny hoavy rehefa hanjaka amin’ny fiadanana sy ny rariny Andriamanitra. Nohamafisin’i Mika fa Andriamanitry ny rariny Andriamanitra miahy ny ampahorina sy ny voahilikilika.

Hoan’Andriamanitra Ray sy Zanaka Ary Fanahy Masina anie ny Voninahitra, Amena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Facebook
OFF AIR
Défiler vers le haut