Ny Filazantsaran’i Marka ( Tari-dalana )

📚** *Ny Filazantsaran’i Marka dia fitantarana momba ny fiainana, ny asa fanompoana, ny fahafatesan’i Jesosy Kristy ary ny nitsanganan’i tamin’ny maty. Ny Filazantsaran’i Marka dia ao anatin’ny sokajy filazantsara sinoptika. Ireto avy ireo filazantsara sinoptika: Matio,Marka,Lioka.Antsoina hoe sinoptika izy ireo satria mitovy fijery amin’ny ankapobeny ny fitantarany ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany.

Mpanoratra sy daty nanoratana.

📚** * Araka ny lovantsofina, dia i Jaona Marka na i Marka dia mpandika tenin’i Petera sy mpitan-tsoratra no voalaza fa nanoratra ny Filazantsaran’i Marka. Araka ny lovantsofina ihany dia nifandray akaiky tamin’i Petera i Marka. Voalaza fa mpianatr’i Petera izy ary ny fampianaran’ity mpampianatra azy ity no noraiketiny an-tsoratra. Ao amin’ny (1 Petera 5:13) dia miantso an’i Marka hoe « zanako » i Petera, izay manondro fifandraisana ara-panahy akaiky. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia voalaza fa zanak’i Maria izy, ilay vehivavy nampiantrano an’i Petera avy nivoaka ny fonja.(Asan’ny Apostoly 12:12). Resahin’ny Asan’ny Apostoly ihany koa fa naman’i Paoly sy Barnabasy ihany koa izy. ( Asan’ny Apostoly 12:25, 13:5, 15:37-39 ).Voafetra ny fampahalalana momba ny sata ara-tsosialy marina momba an’i Marka,Na izany aza, ireto manaraka ireto dia azo raisina,Ny fifaneraserany tamin’ireo olo-malaza teo amin’ny Kristianisma tany am-boalohany, toa an’i Petera sy i Paoly, dia mampiseho fa nanana ambaratongam-pahefana sy fitaomam-panahy teo anivon’ny fiaraha-monina kristiana izy. Ny nahafahany nanoratra Filazantsara iray dia manondro ambaratongam-pampianarana sy fahaizana teny grika.Voalaza fa nanana trano tao Jerosalema i Maria renin’i Marka, izay toerana nivorian’ny Kristiana voalohany. Azo inoana fa tany Roma no nanoratana ny Filazantsaran’i Marka taminy taona 57-59 taoriany Kristy. Nanamarika ny vanim-potoana ny fanenjehana ny Kristiana notarihin’ny Emperora Nerona.Ny ady jiosy sy romana sy ny fandravana ny tempolin’i Jerosalema, Niteraka fisalasalana sy fanenjehana ho an’ny Kristiana voalohany ireo fisehoan-javatra ireo.Ny tanjon’i Marka dia ny hampahery sy hanatanjaka ny finoan’ny Kristiana eo anatrehan’ireny fitsapana ireny.Ny Filazantsaran’i Marka no fohy indrindra amin’ireo filazantsara 4, ary tena miompana amin’ny asan’i Jesosy.

Tanjona amin’ny boky

📚*** Ny tanjon’i Marka voalohany dia ny hanolotra an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra, mpanompo nijaly izay tonga mba hanompo sy hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny maro (Marka 10 :45). Ny Filazantsara dia manantitrantitra ny asa sy ny fahagagana nataon’i Jesosy, izay mampiseho ny fahefany sy ny heriny. Te hampirisika ny Kristiana nenjehina i Marka mba tsy hivadika amin’ny finoany, amin’ny fanehoana azy ireo fa i Jesosy mihitsy no nijaly sy nandresy.

Andininy fototra

✅** *Marka 1:1″Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. »

✅** *Marka 1:17″Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. »

✅** *Marka 10:14-15″Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory. »

✅** *Marka 12:29-30″Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deoteronomia 6:4-5). »

✅** *Marka 16:15 « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. »

✅** *Marka 8:29″ Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Ianao no Kristy. »

✅** *Marka 10:45″ Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. »

✅** *Marka 16:6-7″ Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. Fa mandehana, lazao amin’ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo. »

✅** *Marka 1:15″ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. »

Ireto ny toko ao amin’ny Filazantsaran’i Marka sy ny hevi-dehibe isaky ny toko:

👉* **Toko 1: Ny fanombohan’ny fanompoan’i Jesosy, ny batisany ary ny fiantsoana ireo mpianany voalohany.

👉* **Toko 2: Ny fahefan’i Jesosy manasitrana sy mamela heloka, ary ny fifandirana tamin’ireo Fariseo.

👉* **Toko 3: Ny fanendrena ireo Apôstôly 12 ary ny fanoheran’ny fianakavian’i Jesosy sy ireo mpanora-dalàna Azy.

👉* **Toko 4: Ny fanoharana nataon’i Jesosy, anisan’izany ny fanoharan’ny mpamafy sy ny fanoharana momba ny voantsinapy.

👉* **Toko 5: Ny fahagagana nataon’i Jesosy, anisan’izany ny fandroahana demonia, ny fanasitranana vehivavy iray voan’ny aretina mandeha-ra, ary ny nananganana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty.

👉* **Toko 6: Ny fandavana nataon’ireo mpiray tanindrazana tamin’i Jesosy, ny nanirahany ireo Apôstôly 12, ny nahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa, ary ny namahanan’i Jesosy olona 5000.

👉* **Toko 7: Ny fifandirana tamin’ireo Fariseo momba ny fombafomba fanadiovana, ary ny fanasitranana ny zanakavavin’ny vehivavy Sirofenisianina.

👉* **Toko 8: Ny namahanan’i Jesosy olona 4000, ny fampitandremana momba ny lalivain’ireo Fariseo, ary ny fanekem-pinoan’i Petera fa i Jesosy no Kristy.

👉* **Toko 9: Ny fiovan-tarehy, ny fanasitranana zazalahy iray nisy demonia, ary ny fampianarana momba ny fanetren-tena.

👉* **Toko 10: Ny fampianarana momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, ny fitahiana ireo ankizy madinika, ny lehilahy manankarena, ary ny fampianarana momba ny fanompoana.

👉* **Toko 11: Ny fidirana fandresena tao Jerosalema, ny fanadiovana ny tempoly, ary ny fampianarana momba ny herin’ny vavaka.

👉* **Toko 12: Ny fanoharana momba ny tanim-boaloboka, ny fanontaniana momba ny hetra amin’i Kaisara, ary ny didy lehibe indrindra.

👉* **Toko 13: Ny lahateny momba ny andro farany sy ny fiavian’i Jesosy fanindroany.

👉* **Toko 14: Ny teti-dratsy hamonoana an’i Jesosy, ny fanosorana menaka nataon’ny vehivavy iray Azy, ny sakafo hariva farany, ary ny fisamborana an’i Jesosy.

👉* **Toko 15: Ny fitsarana an’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato, ny fanomboana Azy, ary ny fandevenana Azy.

👉* **Toko 16: Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ny fisehoany tamin’ireo vehivavy, ary ny fanirahany ireo mpianany hitory ny Filazantsara.

Rohy amin’ny Testamenta Taloha

📚** *Asehon’i Marka ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Mesia i Jesosy. Ohatra, ny fanondroana an’ilay mpanompo nijaly ao amin’ny Isaia dia hita ho sarin’i Jesosy. Ny lohahevitry ny Fanjakan’Andriamanitra, ny famelan-keloka ary ny famerenana amin’ny laoniny ny Isiraely, izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha, dia novolavolaina sy tanteraka tamin’ny asa fanompoan’i Jesosy.

Ny Filazantsaran’i Marka no tena manasongadina ny mahaolombelona an’i Jesosy. Ireto ny manamarina izany.

🌿* **Ny fihetseham-pon’ny olombelona sy ny fahalemeny: Tsy nanafina ny fihetseham-pon’i Jesosy i Marka, nasehony ny fangoraham-po, fahatezerana, ny alahelo,Ohatra, ny fahoriany tao Getsemane ( Marka 14:32-42 ) dia mampiseho ny maha-olombelona lalina azy eo anatrehan’ny fijaliana ho avy. Hita ao amin’ny Marka 3:5 ny fahatezeran’i Jesosy sy ny alahelony noho ny hamafin’ny fon’ny Fariseo.

🌿* **Filana ara-batana: Resahin’ny Filazantsara fa noana sy nangetaheta ary reraka i Jesosy, ka nanantitrantitra ny maha-olombelona azy.

🌿* **Fifandraisan’olombelona: Nitantara ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ny mpianany sy ny olon-tiany ary ny olona sendra azy i Marka, ka nampiseho ny fahaizany mitia sy mifandray amin’ny hafa.

🌿* **Ny hevitry ny hoe “Zanak’olona”. Nantsoin’i Jesosy hoe zanak’olona ny tenany. Zava-dehibe io anarana io satria mampifandray ny maha-olombelona azy amin’ny maha-Andriamanitra azy. Manondro ny Mesia, ilay voahosotra nampanantenaina, ao amin’ny ( Daniela 7:13-14 ) dia misy fahitana momba ny « Zanak’olona » izay homena fahefana sy voninahitra mandrakizay, Ity fahitana ity dia heverin’ny teolojiana ho faminaniana momba an’i Jesosy. manondro ny asan’i Jesosy amin’ny maha-Mpisolovava azy, izay miasa ho an’ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra.Manondro ihany koa ny fahefan’i Jesosy amin’ny maha-Mpitsara azy, izay hitsara ny olona rehetra amin’ny andro farany.

🌿* **Asehon’i Marka ny asa sy ny adin’i Jesosy: Ny Filazantsaran’i Marka dia feno tantara momba ny asa nataon’i Jesosy, ary koa ny ady nataony tamin’ny fanoherana sy ny fakam-panahy. Marka 1:35-37  » Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany. Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. »

Nahoana no ilaina ny nanasongadina ny mahaolombelona an’i Jesosy?

☘️* **Mahatonga an’i Jesosy ho azo ifandraisana: Rehefa hitantsika ny fihetseham-pon’i Jesosy dia azontsika tsara kokoa ny fahatakarana ny olombelona.

☘️* **Manamafy ny maha-tena izy ny fahatongavana ho nofo: Ny mahaolombelona an’i Jesosy dia porofo fa tena tonga olombelona tokoa i Jesosy, ary niaina ny fiainana tahaka antsika.

☘️* **Manome antsika fanantenana: Satria i Jesosy niaina ny fahasahiranana sy ny fakam-panahy, dia azony tsara ny olana atrehintsika, ary afaka manampy antsika izy.

Ny fahalalana ny Filazantsaran’i Marka dia manome antsika fahatakarana manan-danja momba ny famonjena antsika.

☝️* **Ny maha-mpanompo an’i Jesosy: Ny Filazantsaran’i Marka dia manasongadina ny maha-mpanompo an’i Jesosy. Izy dia tonga tsy hotompoina, fa hanompo sy hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny maro (Marka 10:45). Izany dia mampiseho amintsika fa ny famonjena dia azo amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fahafoizan-tenan’i Jesosy.

☝️* **Ny fijalian’i Jesosy:I Marka dia manantitrantitra ny fijalian’i Jesosy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Izany dia mampahatsiahy antsika fa ny famonjena dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny ra nalatsak’i Jesosy, izay manadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra.

☝️* **Ny fahefan’i Jesosy: Na dia eo aza ny fijaliany, i Marka dia manasongadina koa ny fahefan’i Jesosy amin’ny fanasitranana ny marary, ny fandroahana ny demonia, ary ny fampitoniana ny tafio-drivotra. Izany dia mampiseho amintsika fa i Jesosy dia manana fahefana hamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny herin’ny ratsy.

☝️* **Ny antso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana: I Marka dia manomboka amin’ny antso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana ny filazantsara (Marka 1:15). Izany dia mampahatsiahy antsika fa ny famonjena dia azo amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotantsika sy ny finoana an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.

Amin’ny alalan’ny fahalalana ny Filazantsaran’i Marka, dia mahazo fahatakarana feno kokoa ny amin’ny maha-izy an’i Jesosy isika, ny asany, ary ny fomba ahazoantsika famonjena amin’ny alalany.

Fampiharana

📌️** *Ny Filazantsaran’i Marka dia miantso antsika hanaraka an’i Jesosy amin’ny finoana sy ny fankatoavana, na dia eo aza ny fahoriana.

📌️** *Mampirisika antsika izy mba hanompo ny hafa amim-panetren-tena, hanaraka ny ohatr’i Jesosy.

📌️** *Mampahatsiahy antsika izany fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra mahery sy mangoraka, izay efa nandresy ny fahafatesana ary nanolotra fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino azy.

📚** *Ho famaranana, ny Filazantsaran’i Marka dia manolotra sarin’i Jesosy manantitrantitra ny maha-Andriamanitra Azy sy ny maha-olombelona Azy. Tena ilaina ny anjara andraikiny amin’ny drafitry ny famonjena, satria izany dia manambara an’i Jesosy ho ilay Mesia nijaly, izay tonga hitondra famonjena ho an’ny olombelona.

Hoan’Andriamanitra Ray sy Zanaka Ary ny Fanahy Masina anie ny Voninahitra, Amena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Facebook
OFF AIR
Défiler vers le haut