LITORJIA & RITOALY FLM

Manana ny Litorjia (Fombam-pivavahana) fanao isaky ny fotoana ny Fiangonana Loterana Malagasy – ary fanampin’izany koa ny Ritoaly

Alahady Maraina
Fiantsoana
Fizarana 1 / 20
Pastora Amin’ny Anaran’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Aoka hivavaka isika rehetra.

Ry Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ô, Izay Mpamorona sy Mpanavotra ary Mpanamasina anay! Mivory eto anatrehanao izahay, amin’ity tranonao ity (na amin’ity toerana ity) mba hihaino izay holazainao aminay. Andriamanitra ô, mangataka Aminao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izahay, mba hosokafan’ny Fanahy Masina ny fonay, mba hiasan’ny Teninao ao am-ponay hahatonga anay hibebaka noho ny ota nataonay, ka mba hinoanay an’i Jesosy, na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana, ary hitomboanay hihatsara isan’andro isan’andro amin’ny fitondrantena masina. Hohenoinao anie izany, ry Andriamanitra ô, sy hotanterahinao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Amena.

Mamonjy ny fipetrahany ny rehetra rehefa vita ny vavaka. Ny Pastora manao raharahan’alitara mitsangana manatrika ny alitara. Vohaina ny varavaran’ny Trano Fiangonana.

Alahady Maraina
Hira
Fizarana 2 / 20

Mbola tsy voafaritra — safidio ny hira ho eken’ny fotoana.

Alahady Maraina
Fiaikem-pahotana sy Fanambarana Famelan-keloka
Fizarana 3 / 20

(Mihodikavanana mandrakariva ny Pastora rehefa mitodika hanatrika ny Fiangonana, ary mihodikavia rehefa hanatrika ny alitara, afa-tsy rehefa handohalika: ny ila havia misy ny fo izany no atao manakaiky ny alitara mandrakariva rehefa mihodina.)

Ny Pastora mitodika amin’ny Fiangonana ka manao hoe:

Ry Fiangonana malala,

a) « Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po » (Ohab. 28:13).

b) « Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy » (Isa. 1:18).

✝

Manohy miteny ny Pastora hoe:

« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » (1 Jao. 1:9).

Noho izany àry dia aoka hanetry tena sy hifona amin’Andriamanitra isika noho ny fahotantsika.

Mitodika amin’ny Alitara ny Pastora manao ny raharahan’alitara, dia mandohalika ka mifona hoe:

Ry Andriamanitra Tsitoha, Mpamorona sy Mpanavotra anay ô! Masina Ianao ka mankahala ny ratsy rehetra. Indreto izahay mpanota mahantra, manetry tena sy miaiky ny fahadisoanay sy ny helokay rehetra eto anatrehanao. Nandova ota sy heloka izahay, sady nanota taminao tamin’ny hevitra sy ny teny ary ny asa, ka tokony ho very sy hohelohina mandrakizay. Nefa noho ny fahasoavanao sy ny famindramponao lehibe sy mahagaga, dia mifona Aminao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izahay.

✝

Pastora sy ny Fiangonana miaraka mivavaka hoe:

Ry Andriamanitra Ray be famindrampo ô! Izay nanolotra ny Zanakao Lahy Tokana ho faty hisolo anay, mamindrà fo aminay, ary noho ny anarany dia mamelà ny fahotanay rehetra, ary ampitomboy amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina ny fahalalanay marina Anao sy ny sitraponao, ary ny fanovana marina ny Teninao, mba ho tonga amin’ny fahasambarana mandrakizay izahay, noho ny fahasoavanao, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tomponay. Amena.

Ny Fiangonana mivavaka an-kira hoe:

Do dia E♭   4/4
d.dd : dr : r.rr : rd : d.dr : r.rm̂m.mm : rr : dir : ––
l,.l,s, : s,t, : t,.t,t, : t,l, : l,.l,l, : l,.l,t,si,.l,d : l,.ta,l, : l,l, : ––
f.fs : ms : s.ss : fm : m.mf : l.lsim.mm : fm : mf : ––
f.fm : ds, : s,.s,s, : s,l, : l,.s,f, : f.fmm.dl, : f,.s,l, : l,r : ––
Fiangonana ♪ Ry Andri-a-ma-nitra Tompo Ray ao an-da-nitra ô! Mamindrà fo a-mi-nay!
Ry Jeso-sy Tompo Mpamonjy i-zao tonto-lo i-zao! Mamindrà fo a-mi-nay!
Ry Fana-hy Ma-sina To-mpo-nay mpampionona ô! Mamindrà fo a-mi-nay!
✝

Mitsangana ny Pastora ary mitodika amin’ny Fiangonana ka manao hoe:

a) Misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. (Kol. 1:12-14)

b) Izaho efa handevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho. (Isa. 44:22)

d) Matokia anaka, voavela ny helokao (Mat. 9:2). Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay (Jao. 3:16). Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao (Asa. 16:31).

Fiangonana A – – – – – – – – – men!
Alahady Maraina
Fankalazana (Gloria)
Fizarana 4 / 20

Ny Pastora mihira hoe:

Do dia A♭   4/4
s,.s, : s,s,.s, : l,.l,t,.t,.t, : dd.d : d–.d : mm.m:m.mr : –.dd : –
Voni-na-hitra any amin’ny a-vo i-ndri-ndrahoan’Andri-a-ma-ni-tra!

Ny Fiangonana mihira hoe:

Ary Fiadanana ho ety ambonin’ny tany, amin’ny olona ankasitrahany.

Alahady Maraina
Vavaka
Fizarana 5 / 20
Pastora ♪Ho aminareo anie ny Tompo!
Fiangonana ♪Ary ho amin’ny fanahinao.
Pastora ♪Aoka hivavaka isika rehetra!
Alahady Maraina
Leksiona sy Epistily
Fizarana 6 / 20

Aoka ho rentsika ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny ….

…. Toy izao ny fivaky ny teny amin’ny anaran’i Jesosy.

Alahady Maraina
Hira FFPM
Fizarana 7 / 20

Mbola tsy voafaritra — safidio ny hira ho eken’ny fotoana.

Alahady Maraina
Filazantsara
Fizarana 8 / 20

Aoka ho rentsika ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny ….

…. Toy izao ny fivaky ny teny amin’ny anaran’i Jesosy.

Fiangonana ♪Isaorana anie ny Tompo noho ny Filazantsara.
Alahady Maraina
Fanekem-pinoana
Fizarana 9 / 20
Pastora Aoka isika hanambara ny finoana izay iombonantsika amin’ny Fiangonana Kristiana rehetra manerana izao tontolo izao. Araka ny Fanekem-pinoana:

Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. Ary mino an’i Jesosy Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka, ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amen.

Izaho mino an’Andriamanitra Tokana, Ray tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita.

Izaho mino an’i Jesosy Kristy Tompo Tokana, Zanak’Andriamanitra Lahitokana; nateraky ny Ray talohan’ny fotoana rehetra; Andriamanitra avy amin’Andriamanitra; fahazavana avy amin’ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina; nateraka fa tsy noharina; miray Sobstansa (izay maha-Izy Azy) amin’ny Ray; amin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra. Noho isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary tonga nofo notorontoronin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria virijina ka natao olombelona; nohomboana tamin’ny hazo fijaliana koa hisolo antsika fony nanapaka Pontio Pilato; nijaly ary nalevina; ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; niakatra ho any an-danitra; mipetraka eo ankavanan’ny Ray, ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

Izaho mino ny Fanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany; sady mino koa ny Fiangonana tokana, masina, apostolika, manerana izao tontolo izao. Izaho manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka, ary miandry ny fitsanganan’ny maty sy ny fiainana mandrakizay. Amen.

Alahady Maraina
Hira mialoha ny Toriteny
Fizarana 10 / 20

Mbola tsy voafaritra.

Alahady Maraina
Toriteny
Fizarana 11 / 20
  1. Mivavaka.
  2. Toy izao ny fivaky ny teny amin’ny anaran’i Jesosy.
  3. Ry Ray masina ô! Manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana (Jaona 17:7). Amen.
  4. Ry Fiangonana Malala! Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Rayintsika sy Jesosy Kristy Tompo (Efes. 1:2). Amen.
  5. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
  6. Raiso ny fitahiana!
  7. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina (2 Kor. 13:14). Amena!
Alahady Maraina
Hira manaraka ny Toriteny
Fizarana 12 / 20

Azo atao na Hira FFPM na Antokom-pihira.

Alahady Maraina
Vavaka manaraka ny Toriteny
Fizarana 13 / 20

Ry Andriamanitra Tsitoha sady Ray mandrakizay! Midera sy mankalaza ny Anaranao masina izahay fa tsara Ianao ary ny famindram-ponao maharitra mandrakizay. Ianao no efa nahary anay sady manohana anay. Ianao no efa nanavotra anay sady manamasina anay. Hoderaina mandrakizay anie Ianao!

Ry Andriamanitra ô! Jereo amin’ny fahasoavanao ny Fiangonana kristiana. Ampikambano sy hatanjaho izy. Fohazy izay matory fanahy, ampivereno izay efa niala, ampidiro amin’ny Fiangonanao ny jentilisa sy izay sisa amin’ny Zanak’Isiraely. Aoka handroso aminay anie ny zava-mahasoa rehetra ary sakano ny sain-dratsy sy ny asa ratsy rehetra. Tahio ny Mpitondra Fanjakana rehetra isan’ambaratonga eto Madagasikara hipetrahanay miadana amin’ny toe-panahy araka Anao sy ny fahamaotinana rehetra. Tariho amin’ny Fanahin’ny fahendrenao ary tehirizo ao Aminao ny firenena rehetra eran-tany sy ny mpitondra azy mba hanjakan’ny fihavanana sy fandriampahalemana. Ary izy rehetra anie mba samy hahafantatra tanteraka sy hanaiky ny sitraponao, Andriamanitra Ray Mpiahy, antoky ny fiadanan’ny olombelona eto an-tany.

Omeo fo hendry ny ray aman-dreny hitaizany ny zanany araka ny fomba kristiana. Anjakao amin’ny Fanahinao ny sekoly, ary tahio ny konfirmanda sy ny katekomena izay miomana hatao batisa.

Ny fitahianao anie hampahavokatra ny tany sy hanasoa ny fivelomana marina, mbamin’ny asam-panahy tsara rehetra. Vokiso amin’ny hanina isan’andro ny mahantra sy ny noana, ary tahio izay rehetra manome sy miantra amin’ny fifaliana. Ampionony sy ampio ny mpitondratena sy ny kamboty, mbamin’ny marary sy malahelo ary izay miady farany amin’ny fahafatesana. Mamindrà fo amin’ny olona rehetra, ry Tompo!

Midera sy mankalaza ny Anaranao masina izahay noho ny mpanomponao rehetra izay efa naharitra tamin’ny finoana Anao mandra-pahafatiny, ka efa finaritra ao Aminao ankehitriny amin’ny fifalian’ny lanitra. Ampio koa izahay mba hanahafanay ireo, ka ho velona ao Aminao sy ho faty ao Aminao, hahatraranay ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ho fahasambarana mandrakizay.

Misaotra Anao izahay Andriamanitra Ray ô, noho ny fanomezanao anay an’i Jesosy Kristy Zanakao Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.

Misaotra Anao izahay ry Jesosy Kristy ô, noho ny nitondranao ny fahotanay rehetra tamin’ny Tenanao Masina sy ny nanesoranao ny fahadisoanay rehetra tamin’ny rànao.

Misaotra Anao izahay ry Fanahy Masina ô, noho ny nanomezanao anay izany finoana izany ao am-ponay, dia ny tsy ahafantaranay na inona na inona ho famonjena afa-tsy Jesosy Kristy Izay voahombo tamin’ny hazofijaliana.

Andriamanitra ô, omeo anay ny fahasoavanao mba hinoanay tokoa ny famelana ny helokay rehetra noho ny fijalian’i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany, ary hazavao amin’ny Fanahy Masina ny fonay mba hialanay isan’andro amin’ny fahotana noho ny herin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ary mba tsy hampialanay an’i Jesosy amin’ny fonay ambara-pahitanay Azy amin’ny fiainana mandrakizay…

✝
Fiangonana ♪A – – – – – – – – – men.
PastoraAoka isika hisaotra sy hivavaka!

Ry Andriamanitra Tompo ô, misaotra sy midera Anao izahay noho ny soa rehetra raisinay Aminao. Omeo hanina isan’andro izahay sy fifaliana ary ny zava-tsoa rehetra: efa nomenao anay ny Teninao masina, sady tezainao amin’ny fahoariana sy ny hazo fijaliana koa izahay, mba hanananay anjara amin’ny Fanjakanao ety an-tany ary hiara-monina Aminao mandrakizay.

✝
Fiangonana ♪Hode-rai-na ny a-na-ra-nao ry A-ndri-a-ma-ni-tr’o!
PastoraRy Andriamanitra Mpamindro fo ô, mangataka Aminao amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izahay, jereo amin’ny fahasoavanao ny Fiangonana Kristiana, ka arovy sy hamasino amin’ny fahamarinanao izy. Aoka ny Teninao anie hotorina marina sy madio ary aoka hatao amin’ny fitandremana marina araka ny Teninao ny Sakramenta. Omeo mpanompo mahatoky izay marina sy tsara fitondrantena ny Fiagonana. Mampandehana mpiasa hamory ny vokatrao, ary vohay ny varavaram-pinoana ho an’ny jentilisa rehetra sy ny Israely olonao. Tsarovy amin’ny famindramponao koa ny fahavalon’ny Fiangonana, ka omeo azy ny fibebahana ho fiainana …
✝
Fiangonana ♪Tompo be fa-ha-so-a-va-na, mba he-noy ny va-va-kay!
PastoraAhinjiro ny tànanao hiaro ny Fireneny sy Tanindrazanay. Aoka handroso tsara aminay anie ny zava-mahasoa rehetra, ary sakano ny sain-dratsy sy ny asa ratsy rehetra. Tahio ny mpitondra fanjakana isan’ambaratonga eto Madagasikara hipetrahanay miadana amin’ny toe-panahy araka Anao sy ny fahamaotinana rehetra. Tariho amin’ny fahendrenao ary tehirizo ao Aminao ny Firenena rehetra eran-tany sy ny mpitondra azy mba hanjakan’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana. Ary izy rehetra anie hahafantatra tanteraka sy hanaiky ny sitraponao, Andriamanitra Ray Mpiahy, antoky ny fiadanan’ny olombelona eto an-tany…
✝
Fiangonana ♪Ry Mpanja-kan’ny mpanja-ka ô! Raiso ny fi-fo-na-nay.
PastoraAndriamanitra ô, aoka Ianao no ho kiadin’ny mpitondrantena sy ho rain’ny kamboty, ary tsarovy ny manana alahelo sy ny fo torotoro, indrindra fa izay marary efa ho faty, mba samy hahazo fiononam-po sy toky avy amin’ny Teninao; ary aoka Ianao no ho herin’ny mitondra fahoriana noho ny anaran’i Jesosy. Manampia anay mba hiasanay marina sy hifanarahanay tsara amin’ny raharaha rehetra. Omeo toam-panjina sy fifaliana amin’ny fanomezanao izahay…
✝
Fiangonana ♪O, ry To-mpo, Mpa-mpi-o-no-na, mba he-noy ny va-vakay.
PastoraMba tsarovy indrindra anie ity Fiangonanao ity. Arovy amin’ny fahatafintohinana rehetra izahay, ary ampikambano amin’ny fitiavanao masina… (atao eto ny vavaka ho an’ny olona na ny toe-javatra manokana ao amin’ny firenena). Aoka ny zaza madinika batisa amin’ny anaranao, hitombo amin’ny fahatahorana sy ny fitiavana Anao, ary tahio ny katekomena izay miomana hatao batisa. Ampio ny tanora izay hanavao ny fanekena tamin’ny nanovana batisa azy, mba hananany finoana sy fo marina hahafoizany ny ratsy sy hiraiketany amin’ny tsara. Omeo fiadanam-panahy sy fiainana mandrakizay ny mpandray izay manatona ny tabatrao…
✝
Fiangonana ♪Mihai-noa ny va-va-kay! Mihai-noa ny va-va-kay!
PastoraRy Andriamanitro ô! Mamindrà fo amin’ny olona rehetra araka ny hoben’ny fitiavanao, eo amin’i Jesosy Kristy Tomponay. Ary raha avy ny fotoana hialanay amin’ity fiainana ity, dia omeo anay ny fahasoavanao mba hialanay aina amin’ny fifaliana sy ny fahatokiana an’i Jesosy, ary amin’ny andro farany mba hatsangano amin’ny voninahitra izahay.
Pastora sy FiangonanaRainay Izay any an-danitra! Hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen.
Fiangonana ♪Tompo tia sy mpamindra fo! Mihai-noa ny anay. A-men.

Aorian’ny vavaka manaraka ny toriteny no anaovana Batisa, konfirmasiona, Fanokanana mpiasa, Diakona, Komity, mpampianatra SA. Manaraka ny ritoaly mifanandrify amin’izany no anaovana azy. Aorian’ny fanolorana ny rakitra no anatanterahana ny Asa sy fampaherezana, ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, fanokanana Mpiandry.

Alahady Maraina
Filazan-draharaha sy Fandatsahan-drakitra
Fizarana 14 / 20

Mbola tsy voafaritra.

Alahady Maraina
Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo
Fizarana 15 / 20
Pastora ♪Asandrato ny fonareo ho any amin’ny Tompo!
Fiangonana (mitsangana) ♪A-san-dra-tray ny fo-nay ho-any a-min’ny To-mpo!
Pastora ♪Aoka ho deraintsika ny Tompo Andriamanitra.
Fiangonana (mitsangana, hiraina) ♪Me-ndrika ho-de-rai-na i- - - -zy!

Eny, mendrika ho deraina tokoa Ianao, ry Tompo Masina ô! Sady Rainay Tsitoha Andriamanitra mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena nisolo anay. Amin’ny alalany koa no ankalazan’ny anjely ny fiandriananao, sy iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny Anaranao amin’ny fihobiana; ary izahay koa izao miara-manandratra ny feonay aminy ka amin’ny fanajana lehibe no iderainay hoe:

Fiangonana (mitsangana, hiraina) ♪ Ma-si-na, ma-si-na, ma-si-na; Za-na-ha-ry To-mpo-nay,
Ny ta-ny re-hetra dia fe-no ny la-za-ny.
Ho-sa-na a-ny a-min’ny a-vo! Isao-ra-na a-ni-e Ilay a-vy
Ta-min’ny a-na-ra-ny. Ho-sa-na a-ny a-min’ny a-vo!

Fiangonana (mipetraka)

PastoraRy Kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’i Jesosy Izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy mivavaka! (mivavaka ny Pastora)

Misaotra anao izahay, ry Jesosy Kristy Tompo ô! Midera ny anaranao izahay, ry Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana, Mpamonjy anay, ankalazainay Ianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana. Azy izahay izay tonga eto amin’ny latabatrao handray ny Tenanao sy ny Ranao, dia mangataka mba hataonao manatrika Anao amin’ny fo manetry tena sy marina. Ampiraiso Aminao ohatry ny sampana amin’ny voaloboka izahay. Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao izahay. Ary aoka hiara-manana amin’ny Fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao. Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra nitondra ny fahotan’izao tontolo izao ô! Iantrao izahay! Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra nitondra ny fahotan’izao tontolo izao ô! Omeo anay ny fiadananao!

FiangonanaA – – – – – – – – – men!

Vavaka Nampianarin’ny Tompo

♪ Rainay Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
Ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.
Fa Anao ny fanjakana sy ny hery, ary ny voninahitra mandrakizay. Amena. (Mt 6:9-13)

PastoraJesosy Kristy Tompontsika, tamin’ny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray ny mofo, ary nony efa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony ny Mpianany, ary hoy Izy: Raiso ka hano, ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Ary toy izany koa ny nandraisany ny kapoaka rehefa nisakafo, ka nony efa nisaotra Izy dia natolony azy, ary hoy Izy: Misotroa amin’ity ianareo rehetra; ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako izay alatsaka ho anareo ho famelan-keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
Alahady Maraina
Hira Fisaorana noho ny Fandraisana
Fizarana 16 / 20

Mbola tsy voafaritra.

Alahady Maraina
Vavaka noho ny Sakramentan'ny Fanasan'ny Tompo
Fizarana 17 / 20
PastoraAoka isika hivavaka:

Andriamanitra Tsitoha ô, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, misaotra Anao izahay noho ny namahananao anay tamin’ireny zava-tsoa nomenao ireny. Ary mangataka aminao izahay noho ny famindramponao, mba hohasoavinao ireny zava-tsoa nomenao ireny hampahery ny finoanay Anao, sy hampifankatia anay indrindra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tomponay.

FiangonanaA – – – – – – men.
Alahady Maraina
Tsodrano Aronika
Fizarana 18 / 20
Pastora ♪Ho aminareo anie ny Tompo.
Fiangonana ♪Ary ho amin’ny fanahinao.
Pastora ♪Hitahy anareo anie ny Tompo! ka hiaro anareo.

Hampamirapiratra ny tavany aminareo anie Tompoko, ka hiaro anareo.

Hanandratra ny tavany aminareo anie ny Tompo, ka hanome anareo Fiadanana.

♪Amen (×3) — Haleloia (×10) — Amen!
Alahady Maraina
Hira Farany
Fizarana 19 / 20

Mbola tsy voafaritra.

Alahady Maraina
Vavaka Farany
Fizarana 20 / 20

Tompo ô! Misaotra Anao amin’ny fonay tokoa izahay, fa efa nampianarinao anay izay sitrakao hataonay. Andriamanitra ô, ampio izahay ankehitriny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, noho ny Fanahinao Masina, mba hitehirizanay ny teninao amin’ny fo madio, hitomboanay amin’ny finoana, mba hihatsara isan’andro izahay amin’ny fitondratena masina, ary ny teninao anie no hitokianay na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana. Amena.

Fiangonana Loterana Malagasy

Bokin’ny Ritoaly

Fitandreman’ny Fiangonana — FKTLM

Ity no fitehirizana ny fombam-pivavahana sy ny ritoaly ampiasain’ny FKTLM — batisa, konfirmasiona, fanambadiana, fanokanana mpiasa, fandevenana ary ny litorjian’ny andro lehibe.

Safidio ao amin’ny tovana eo an-kavia ny ritoaly tianao hovakina.

← Sokafy ny lohateny iray hahitanao ny ritoaly ao anatiny

Facebook
OFF AIR
Défiler vers le haut