** * Ny epistily ho an’ny Galatiana dia iray amin’ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao . Nosoratan’ny Apostoly Paoly hoan’ireo fiangonana kristiana tany Galatia, faritra iray tao amin’ny faritanin’i Roma fahiny.
Ny antony nanoratana ny epistily
** *Nanoratra ny epistily ho an’ny Galatiana i Paoly mba hiarovana ny filazantsaran’ny fahasoavana izay notoriany. Nosoratana tany Korinto nandritra ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly ny Galatiana.Nisy ireo mpampianatra sandoka izay nanandrana nanakivy ny Galatiana hiala amin’ny filazantsara ary hino fa tsy maintsy mitandrina ny lalàn’i Mosesy izy ireo mba hovonjena. Ny daty nanoratana dia teo anelanelan’ny taona 48 sy 55 taoriany Jesosy kristy. Nanangana Fiangonana tany koa i Paoly.Taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ity ary iray amin’ireo lahatsoratra tranainy indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao.
Momba an’i Galatia
** *Galatia dia faritra iray tao afovoan’i Anatolia, izay niorenan’ny Galatiana, foko Keltika taorian’ny nifindrany avy tany Eoropa tamin’ny taonjato fahatelo talohan’i Jesosy Kristy. Ny Galatiana dia nanao fanekena tamin’ny Roma, ary i Augustus dia nanendry an’i Amyntas ho mpanjakan’i Galatia. Taorian’ny nahafatesan’i Amyntas, dia lasa faritany Romana i Galatia tamin’ny taona 25 talohan’i Jesosy Kristy. Ny faritanin’i Galatia dia nahitana tanàna maro, anisan’izany i Ancyra (Ankara ankehitriny), Pessinus, Tavium, ary Ecubogala. Ny tanànan’i Ancyra no renivohitry ny faritany ary toerana manan-danja ara-barotra sy ara-politika.Nandritra ny fitondran’i Roma, dia nanana vanim-potoana naharitra ny fiadanana sy ny fanambinana i Galatia. Ny faritany dia nanana toerana lehibe teo amin’ny lalana ara-barotra izay nampifandray ny atsinanana sy ny andrefana, ary ny tanànany dia lasa foibe ara-barotra sy ara-kolontsaina. Tamin’ny taonjato voalohany taorian’i Jesosy Kristy dia nampidirina tao Galatia ny Kristianisma. Ny Apostoly Paoly dia nitsidika ny faritany imbetsaka ary nanoratra taratasy ho an’ireo fiangonana tany Galatia. Ny taratasy ho an’ny Galatiana dia ampahany manan-danja amin’ny Testamenta Vaovao. Ny faritanin’i Galatia dia nanohy ny fanambinany hatramin’ny taonjato faha-7 taorian’i Jesosy Kristy fony nalain’ny Arabo. Taty aoriana, dia lasa ampahany amin’ny Fanjakana Torkia Seljuk izy io ary tamin’ny farany dia niditra tao amin’ny Fanjakana Ottoman. Ankehitriny, i Galatia dia ampahany amin’ny firenen’i Torkia. Ny faritra dia manana tantara sy kolontsaina manankarena ary toerana mahaliana ny mpizaha tany
Tanjona Epistily
** *Ny tena tanjon’ny Epistily ho an’ny Galatiana dia ny hiaro ny filazantsaran’ny fahasoavana amin’ireo Jiosy izay nitory filazantsara hafa, mifototra amin’ny asan’ny lalàn’i Mosesy. Nohamafisin’i Paoly fa amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany ny famonjena fa tsy amin’ny asan’ny lalàna.
Andininy fototra
* **Galatiana 2:16 » nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna. »
** *Galatiana 3:11 « Ary hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra ; fa ny marina amin’ny finoana no ho velona* (Habakoka 2:4). [*Na: ny marina ho velon’ny finoana] »
** *Galatiana 4:5-6″ hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’anaka. Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray o. »
* **Galatiana 3:23 « Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ny finoana izay efa haseho ato aoriana. »
** *Galatiana 3:26 « Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. »
* **Galatiana 5:1″ Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony. »
** *Galatiana 6:7″Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. »
** *Galatiana 2:20 « Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. «
** *Galatiana 5:22-23 « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. »
Famintinana fohy : Ny Epistily ho an’ny Galatiana dia azo zaraina ho fizarana telo lehibe:
* **Fampidirana sy Fiarahabana (Galatiana 1:1-5)
* **Fiarovana ny Filazantsaran’ny Fahasoavana (Galatiana 1:6-4:31) Niaro ny maha-apôstôly azy sy ny filazantsara toriany i Paoly, ary nanantitrantitra fa ny famonjena dia amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany.
* **Fanentanana ho an’ny Fiainana Kristiana (Galatiana 5:1-6:18) Nampirisika ny Galatiana i Paoly mba hiaina araka ny Fanahy sy handa ny asan’ny nofo.
Rohy mankany amin’ny Testamenta Taloha
** *Nampiasa ny Testamenta Taloha i Paoly mba hampisehoana fa ny fanamarinana amin’ny finoana dia araka ny sitrapon’Andriamanitra hatrany am-piandohana. Nanonona an’i Abrahama izy, izay nohamarinina tamin’ny finoany ( Galatiana 3:6 ). Nohazavainy koa fa nomena ny lalàna hitarika ny olona ho amin’i Kristy ( Galatiana 3:24 ). Izy io koa dia manasongadina ny maha ivo an’i Kristy. Ny testamenta taloha dia mampiseho fa ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra dia tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy.
Fampiharana
** *Ny Epistily ho an’ny Galatiana dia manan-karena amin’ny fampiharana mivaingana eo amin’ny fiainana kristiana. Indrindra indrindra, mampianatra antsika.
* **Ny maha-zava-dehibe ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana : Amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany no hamonjena antsika fa tsy amin’ny asantsika.
* **Fahalalahana Kristiana : Afaka amin’ny fanamelohan’ny lalàna isika ary voantso hiaina araka ny Fanahy.
* **Ny ady amin’ny nofo : Tsy maintsy miady amin’ny fakam-panahy sy ny asan’ny nofo isika, ary mamboly ny vokatry ny Fanahy.
* **Ny Firaisan’ny Fiangonana : Tafaray ao amin’i Kristy isika rehetra, ka tokony hifankatia.
Hoan’Andriamanitra Ray sy Zanaka Ary Fanahy Masina anie ny Voninahitra, Amena.



