** *Ny Bokin’ny Romana dia bokin’ny Testamenta Vaovao nosoratan’ny apostoly Paoly. Nosoratana teo anelanelan’ny taona 56 sy 58 taoriany kristy tany Korinto rehefa akaiky hifarana ny dia fahatelo fitoriana filazantsara nataony. Paoly, izay nantsoina hoe Saoly tany am-boalohany, apostolin’ny Jentilisa ,Fariseo jiosy be zotom-po izay nanenjika ny Kristiana. Nantsoin’Andriamanitra hitory ny filazantsara amin’ny Jentilisa. Nanoratra boky 13 amin’ireo 27 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nifanena tamin’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba mahagaga teny an-dalana ho any Damaskosy (Asa 9). Nanova ny fiainany io fihaonana io ary nitarika azy ho lasa apostolin’i Jesosy Kristy.Nandeha nanerana ny faritr’i Mediteranea i Paoly, nitory ny filazantsara sy nanangana fiangonana. Imbetsaka izy no nigadra noho ny finoany.Malaza amin’ny teôlôjian’ny fanamarinana amin’ny finoana, ny fahasoavan’Andriamanitra, ary ny ivon’ny hazo fijalian’i Kristy.
Ara-tantara
** *Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny Epistily ho an’ny Romana, dia nisy toe-javatra maromaro nisy tany Roma, izay mety ho nanan-danja tamin’ny fampianarana sy ny hafatra tao amin’ny epistily. Ireto ny sasany amin’ireo zavatra nisy tany Roma tamin’izany:
* **Fanjakana Romana : Roma no renivohitry ny Fanjakana Romana matanjaka. Ny fitondrana romana dia nanana fahefana lehibe tamin’ny tany maro, ary nisy fiantraikany tamin’ny fiainana andavanandron’ny olona, anisan’izany ny Kristiana.
* **Fiangonana Kristiana tany Roma: Efa nisy fiangonana kristiana tany Roma talohan’ny nanoratan’i Paoly ny epistily. Na izany aza, tsy i Paoly no nanorina izany fiangonana izany. Ny fiangonana dia mety ho naorin’ireo Jiosy kristiana izay niverina tany Roma taorian’ny Pentekosta.
** *Fivavahana maro samihafa: Roma dia toerana fivavahana maro samihafa. Ny olona dia nivavaka tamin’ireo andriamanitra romana andriamanitra vahiny, ary nisy koa ireo izay nanaraka ny fivavahana jiosy. Ny Kristianisma dia mbola fivavahana vaovao tamin’izany fotoana izany.
** *Fanoherana ny Kristianisma: Na dia tsy mbola nisy fanenjehana mafy aza ny Kristiana tamin’ny andron’i Paoly, dia nisy ny fanoherana sy ny tsy fitiavana ny Kristianisma teo amin’ny fiaraha-monina romana.
* **Fifandraisana ara-tsosialy sy ara-politika: Ny fiaraha-monina romana dia nisy fifandraisana ara-tsosialy sy ara-politika sarotra. Nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa ary nisy koa ny olana ara-politika sy ara-tsosialy hafa.
** *Ireo toe-javatra ireo dia mety ho nanan-danja tamin’ny fampianaran’i Paoly tao amin’ny Epistily ho an’ny Romana. Ohatra, ny fanjakana romana matanjaka dia mety ho nampahatsiahy ny olona ny amin’ny fahefan’Andriamanitra sy ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny lalàny. Ny fisian’ny fiangonana kristiana tany Roma dia mety ho nampahery ny Kristiana ary nanome azy ireo fanantenana. Ny fanoherana ny Kristianisma dia mety ho nampahatsiahy ny Kristiana ny amin’ny zavatra niain’i Jesosy Kristy sy ny maha-zava-dehibe ny fijoroana amin’ny finoana.
Tanjon’ny Bokin’ny Romana
** *Ny bokin’ny Romana dia taratasy ara-teolojia. Ny tanjon’i Paoly voalohany tamin’ny nanoratany ho an’ny Romana dia ny hanolotra sy hanazava ny filazantsaran’i Jesosy Kristy. Tiany ho azo antoka fa hanana fahatakarana mazava sy mafy orina momba ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fahasoavan’Andriamanitra ary ny ivon’n hazo fijalian’i Kristy ho an’ny famonjena ny Kristiana tany Roma. Naniry hanomana ny tany ho amin’ny fitsidihany tany Roma koa i Paoly, izay nantenainy hatao indray andro any.
Andininy fototra
* **Romana 1:16-17 » Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa* koa. [*Grika: Grika] Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ny finoana no ho velona* (Habakoka 2:4). [*Na: Ny marina ho velon’ny finoana] »
* **Romana 3:23-24 « fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, »
* **Romana 5:1″ Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. [*Na: (dia manana)] ».
* **Romana 6:23 » Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. »
* **Romana 8:28 » Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. »
* **Romana 10:9 » satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. »
Rohy aminy zava-nitranga ao amin’ny Testamenta Taloha.
** *Ny bokin’ny Romana dia miorim-paka lalina ao amin’ny Testamenta Taloha. Matetika i Paoly no mampiasa ohatra avy ao amin’ny Testamenta Taloha mba hanehoana ireo hevitra ara-teôlôjia nataony.
* **Abrahama:Miresaka momba an’i Abrahama ho ohatra ny amin’ny fanamarinana amin’ny finoana i Paoly (Romana 4). Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nisaina ho fahamarinany izany.
* **Davida:Nanonona an’i Davida koa i Paoly, izay niresaka ny amin’ny fahasambaran’ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa ( Romana 4:6-8 ).
* **Ny Lalàna:Miresaka momba ny anjara asan’ny lalàna ao amin’ny Testamenta Taloha i Paoly. Nohazavainy fa tsy mahavonjy ny lalàna, fa manambara ny ota ( Romana 3:20; 7:7 ).
* **Adama:Nanao fampitahana an’i Adama sy Jesosy Kristy i Paoly. I Adama no nitondra ny fahafatesana tamin’ny fahotany, fa i Jesosy Kristy kosa dia nitondra ny fiainana mandrakizay tamin’ny alalan’ny fankatoavana azy ( Romana 5:12-21 ).
Mizara efatra lehibe ny Epistily ho an’ny Romana:
* **Fampidirana (Romana 1:1-17): Nampahafantatra ny tenany ho apostoly i Paoly ary naneho ny faniriany hitsidika an’i Roma. Izy io dia manolotra ny lohahevitry ny epistily: ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino.
* **Ilaina ny Famonjena (Romana 1:18-3:20): Nasehon’i Paoly fa ny olona rehetra, na Jiosy na Jentilisa, dia meloka eo anatrehan’Andriamanitra ka mendrika ny fahatezerany. Izy io dia manantitrantitra ny maha-universaire ny fahotana sy ny tsy fahafahan’ny olona hanamarina ny tenany amin’ny asany.
* ** Fanamarinana amin’ny finoana (Romana 3:21-5:21): Ambaran’i Paoly ny fomba anomezan’Andriamanitra famonjena amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Nohazavainy fa i Jesosy no nitondra ny vesatry ny fahotantsika teo amin’ny hazo fijaliana ary hamarinina (ambara ho marina) eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny finoana Azy.
* **Ny vokatry ny famonjena (Romana 6:1-16:27): Nandalina ny vokatry ny famonjena eo amin’ny fiainan’ny mino i Paoly. Miresaka ny amin’ny fanamasinana, ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, ny fahafahana amin’ny ota, ny firaisan’ny mpino, ary ny fiantsoana hiaina fiainana feno fahamarinana sy fitiavana.
Inona no mampiavaka ity boky ity
* **Fanehoana mazava sy mirindra ny drafitry ny famonjena: Ny Epistily ho an’ny Romana dia manolotra ny drafitry ny famonjena amin’ny fomba mazava sy mitombina ary amin’ny antsipiriany. Izy io dia mirakitra ireo lafiny manan-danja amin’ny fanamarinana, ny fanamasinana ary ny fiainana kristiana.
* **Halalin’ny Teôlôjia: Nandalina ny fahamarinana lalina ao amin’ny filazantsara i Paoly, ka manambara ny fahasoavan’Andriamanitra, ny fahamarinan’i Kristy, ary ny ivon’ny hazo fijaliana.
* **Hafatra manerantany: Ny hafatry ny Filazantsara dia miantefa amin’ny olona rehetra, na Jiosy na tsy Jiosy. Nohamafisin’i Paoly ny firaisan’ny mino rehetra an’i Kristy.
* **Ny fiantraika teo amin’ny Teolojia Kristiana:Ny Epistily ho an’ny Romana dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny teolojia kristiana, indrindra teo amin’ny foto-pampianarana momba ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana, nanome aingam-panahy ny mpanavao maro toa an’i Martin Lotera izay ivon’ny Fanavaozana Protestanta sy John Calvin.
Ny bokin’ny Romana dia feno lesona azo ampiharina ho an’ny fiainana kristiana ankehitriny.
* **Matoky ny fahasoavan’Andriamanitra:Afaka mahazo antoka ny amin’ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy isika, satria fantatsika fa ny fanamarinana antsika dia tsy miankina amin’ny asantsika, fa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
* **Fiainana amin’ny fahamasinana: Antsoina isika mba hiaina fiainana ankasitrahan’Andriamanitra, ka hamela ny tenantsika hiova amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
* **Fitiavana sy Firaisankina ao amin’ny Fiangonana: Tsy maintsy mifankatia sy miasa mba hitandro ny firaisan’ny Fiangonana, handresena ny fisaratsarahana sy ny fitsarana an-tendrony.
* **Fizarana ny Filazantsara: Andraikitsika ny mizara ny vaovao tsaran’ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy amin’izay mbola tsy mahafantatra Azy.
** *Fehiny, ny Epistily ho an’ny Romana dia boky manankarena sy lalina izay manohy manentana sy manova ny fiainana ankehitriny. Mampahatsiahy antsika ny maha zava-dehibe ny finoana sy ny fahasoavana ary ny fitiavana eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa. miavaka ao amin’ny Baiboly noho ny firafiny, ny harena ara-teôlôjia ary ny famelabelarany mirindra ny drafitry ny famonjena. Manome fototra mafy orina amin’ny fahatakarana ny finoana kristiana sy ny fiainana mifanaraka amin’ny filazantsara izany.
Hoan’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina anie ny Voninahitra, Amena.



