
Ny-FKTLM-sy-ny-zavakantonny-Hira
Résumé
Ny tanora no ilay masoandro vao miposaka manantena ny heriny, ny hafanàny, ny hazavana mamirapiratra, eny tokoa, nefa… indraindray dia semban’ny rahona, ary ny tena aizin’ny rahona, ka tsy afaka hanome ilay endrika mibalika, fa miafina ao anatin’ny rahona mainty ao. Izany anefa tsy milaza fa tsy ao izy, saingy matroka… takona… ka tsy afaka hitsilo sy hanafàna ny mpiara-belona aminy. Maneran-tany anefa dia saika filamatra eo anivon’ny fahatanorana, ilay fiteny iray manao hoe: “ny tanora no antoky ny ho avy», na ny hoe: «ny tanora no ankehitriny sy ho avin’ny Fiangonana sy ny Firenena».Voaporofo ny fahamarinan’izany, raha toa ka miaina ao anatin’ny fahasalamana, fifankatiavana, fahavononana, firaisan-kina, fahamarinana, fizakan-tena, fivavahana izy ireo.
Chargement du document…


